<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>520</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny masoandronay
 Mirefarefa izao,
 Madiva hody izahay
 Hiverina Aminao ;
 Ry Jeso ô ! sasao,
 Sasao madio izahay,
 Ho mendrika ny lanitra
 Izay honenanay.

[V2]
 Tsy ela intsony koa
 Ity ady lava ity,
 Ho afa-tsasatra tokoa
 Rehefa tonga arý :
 Ry Jeso ô ! sasao, ..sns.

[V3]
 Madiva ho hitanay
 Ilay Tomponay arý,
 Madiva hihaona aminay
 Ny namanay tatý :
 Ry Jeso ô ! sasao, ..sns.

[V4]
 He ! kely sisa izao
 No hisentoanay,
 Dia ho fafan'ny tananao
 Ny ranomasonay :
 Ry Jeso ô ! sasao, ..sns.

[V5]
 Ity hita maso ity,
 Izay tsy mahefa-po,
 Hisolo paradisa arý,
 Izay hifalian'ny fo :
 Ry Jeso ô ! sasao, ..sns.</lyrics>
<title>Ny masoandronay FFPM520</title>
<author>L.G. Hayne</author>
</song>